1- Ny famonjena ahy
Dia avy aminao Jehovah ô!
Ianao no aroko sy tokiko
Vatolampy sy apingako
2- Ny fitiavan’i Jesoa ahy
Dia ampy ho fiainako
ka matoky aho tsy manahy
Fa trotroiny eo an-tratrany
3- Na dia maro aza ny ratsy
Izay mambabo sy mandrirotra
Dia matoky aho fa hovonjeny
Ho an’i Jesoa ho mandrakizay
REF : Tazony aho Jesoa
Mba ho zandrinao tokoa
Tazony aho Jesoa
Mba ho zandrinao tokoa
Ka hanao ny sitrakao
Ka hanao ny sitrakao
Eo ambany fitahianao
ANDRIANIRINA Jean Charles